Inona no hanalanao ny hetahetanao ??

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Inona no hanalanao ny hetahetanao ??
"... dia nitsangana Jesoa ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro"
Samy manana izay mampangetaheta sy mahanoana azy ny olona tsirairay ary samy mitady fatratra izay hahafa-po azy. Samy mangetaheta fifaliana avokoa isika rehetra kanefa maro no diso lalana ka mitady izany any amin'ny zava-mahadomelina. Te hanan-karena ny maro dia mitady izany amin'ny fomba tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra.
Ao amin'i Jesoa irery ihany no mahafeno ny hetahetanao. Hoy Izy : " Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony" - Jaona 6:35 (MG1865).
Vavaka:
Jesoa ô! Mba ho feno Anao ny fiainanay dia tsy ho noana na hangetaheta ny fanaon'izao tontolo izao izahay. Amen
Mombamomba
20 mai 2026
140 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman