Kristy fiainantsika

Inona no malaza amin'ny fakalazana ny Paska ankehitriny?


Inona no malaza amin'ny fakalazana ny Paska ankehitriny?
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Inona no malaza amin'ny fakalazana ny Paska ankehitriny?

""Esory ny masirasira ela, ... Fa voavono Kristy, Paska ho antsika""

Kristy no naka ny toeran'ny zanak'ondry tsy misy kilema fahiny rehefa nandalo ny anjely mpandringana. Izay nahitana ny mariky ny ran'ny zanak'ondry novonoina dia tsy novonoina. Afaka tamin'ny fanandevozana tany Egypta ny Zanak'Isarely taorian'izany. Voavono Kristy, voaloa ny tambin'ny ota, ary voavono niaraka tamin'i Kristy koa ilay toetra taloha mpamokatra ota. Hoy Paoly : "voahombo miaraka amin'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana aho ...". Raha miorina amin'izany ny finoanao, miala ho azy ny masirasira ela, ny ratsy fanao sy ny ota malaky mahazo. Kristy no velona ao anatinao.

Mampalahelo! Paska no atao, hadalana, fisotroan-toaka, lanonana ao anatin'ny fahalotoana sy fijangajangana no atao rehefa avy mivavaka alahady maraina!

🤲 Vavaka:


Jesoa ô, mba ho Paska marina tokoa no ankalazaina sy iainan'ny kristiana sy ny fiangonana isan'andro

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

5 avril 2026

14 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro