Kristy fiainantsika

Inona no mety atao mba tsy hiainana anaty fanahiana?


Inona no mety atao mba tsy hiainana anaty fanahiana?
Thème du mois : Mifampahery ny mpino

Inona no mety atao mba tsy hiainana anaty fanahiana?

""Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesoa""

Tanteraka aminao io tso-drano io rehefa mametraka ny fanahianao eo Aminy amin'ny alalan'ny vavaka fangatahana sy fifonana ary fisaorana ianao (Filipiana.4:6). Hoy Jesoa : "Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka". Inona no mety atao mba tsy hiainana anaty fanahiana? "Mivavaka aza mitsahatra".

Misy fiadanana tsy takatry ny saina apetrak' Andriamanitra ao am-ponao vokatr'izany. Manoloana ny toe-javatra mampitahotra, tony ianao. Raha enjehin'ny olona sy haratsiany ianao noho ny amin'i Kristy dia faly mandrakariva ary mahavita mivavaka ho azy ireny. Dia ho gaga ny olona satria arovan'ilay fiadanana tsy hanaonao foana na hiteniteny foana ianao.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

27 août 2025

4 vues

5 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro