Kristy fiainantsika

Inty aho, iraho aho. Izany tokoa ve?


Inty aho, iraho aho. Izany tokoa ve?
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Inty aho, iraho aho. Izany tokoa ve?

"... Inty aho, iraho aho"

Ny teny malaza toy intony dua ataon'ny olona hira, apetany amin'ny rindrina sy sary, atao teny faneva ary ny mpanao politika sasany aza dia mivoy sy manonona izany ho an'ny tenany rehefa manao fampielezan-kevitra. Fa Isaia nanona izao teny izao kosa dia resy lahatry ny fahotany ary niteny hoe: "Lozako, maty aho fa lehilahy maloto molotra sady ato amin'ny firenena maloto molotra no misy ahy ...", talohan'ny nitenanany hoe "Inty aho, iraho aho". Dia namela heloka sy nanadio azy Andriamanitra. Alohan'ny hanatanterahana iraka, mibebaha, aoka ho madio am-po dia tsy hijanona ho teny malaza fotsiny ny toy izao fa iainana isan'andro.

Vavaka: Tariho ho amin'ny fahadiovam-po izahay mba ho tena irakao tokoa. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 14 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

14 juillet 2026

152 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro