Kristy fiainantsika

Irahina hanarato olona ianao


Irahina hanarato olona ianao
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Irahina hanarato olona ianao

"Hoy Jesoa : "... Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao""

Nanomboka teo dia nijanona tsy ho mpanarato trondro intsony Petera. Fa ianao kosa, tohizo hatrany io asanao io, raha tsy hoe tsy mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra angaha! Amin'ny alalan'io asanao io ary any amin'ny toeram-piasanao ianao no manarato olona. Tsy ny trondro no manatona mpanarato fa ny mpanarato no mandeha any amin'izay toerana misy ny trondro. Tsy mitady vola no tena anton-dianao any fa manarato olona ho an'ny Tompo. Ny vola mety lany ihany fa ny olona mibebaka dia harena maharitra mandrakizay any an-danitra. Omen'ny Tompo anao izany rehetra ilainao hanatanterahanao ny iraka niantsoany anao. Dia mandrosoa amin'ny lalina kokoa.

Vavaka : Jesoa ô, ataovy mahazo olona maro ho anao aho! Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 12 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

12 juillet 2026

217 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro