Iraka manahaka ny mpaniraka azy

Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino
Iraka manahaka ny mpaniraka azy
"satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, ...Ary izay notendreny no nantsoiny koa;"
Zanak'iza re ity e! Nanahaka ny rainy! Natahotra ny tsy ho zanaky ny reniny! Dia mitovy ny toetra! ny tarehy, ny fiteny... Dia faly ery ny ray aman-dreny: ''Mitovy amin'i dada'', ''Zanak'i neny''!
Jesoa ilay endrik'Andrimanitra tsy hita. "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" hoy Jesoa. Ary ianao milaza fa zanak'Andriamanitra io mitovy endrika Aminy ve ianao? Notendreny ary nantsoin'i Jesoa ho irany ianao. Manahaka ilay mpaniraka anao ve ianao?
Vavaka: Andriamanitra ô! Mba ho zanaka naterakao tamin'ny alan'i Jesoa tokoa anie izahay, dia hanambara Anao ny fiainanay. Amen
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 17 juillet 2026
Mombamomba
17 juillet 2026
88 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Tahinasoa