Kristy fiainantsika

Iraka manahaka ny voromailala


Iraka manahaka ny voromailala
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka manahaka ny voromailala

" ... ary morà tahaka ny voromailala."

Zava-boaharin' Andriamanitra koa ny voromailala. maneho fandriam-pahalemana sy fiadanana ny voromailala, tia miara-monina amin'ny olombelona ary mora tamàna amin'ny toerana iray. Tsy masiaka tahaka ny menarana. Na dia tena manakaiky anao aza izy dia tsy azo sambotsamborina. Tsy vorona bado izy fa mitandrina sy maila tsara. Toy izany ny iraky ny Tompo, manao izay ihavanana amin'ny olona rehetra, malemy fanahy, sakaizan'ny mpanota tahaka an'i Jesoa kanefa tsy miara-manota aminy. Tandremo ary sao dia lanin'ny amboadia ianao.

Vavaka : Ampianaro mba ho tia ny mpanota tahaka Anao izahay kanefa ataovy mankahala aota. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 11 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 juillet 2026

112 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro