Kristy fiainantsika

Iraka manao kitoatoa, manalabaraka an' Andriamanitra


Iraka manao kitoatoa, manalabaraka an' Andriamanitra
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka manao kitoatoa, manalabaraka an' Andriamanitra

"Ary rehefa hitan'i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak'i Arona ho fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,"

Aza atao kitotoa ny fiaindraiketana ny olona nataon' Andriamanitra handrasanao.

Niakatra tany an-tendrombohitra haka ny didy folo Mosesy ka Arona no nisolo azy. Inona no nataon' Arona? Navelany hanara-po hanao izay tiany atao ny Zanak'Israely ka rehefa nangataka hanamboarana sariomby volamena izy ireo dia Arona mihitsy no nitarika ny fanamboarana izany. Nidiran-doza ny Zanak'Israely noho ny goragora nataon'i Arona. Soa ihany fa nifona ho azy ireo Mosesy.

Satria tinao ve ny zanako na ireo olona nampiandraiketina anao dia avelanao hanao izay tiany atao izy, sa matahotra fanenjehana, sa nohon'ny fitiavam-bola?

Vavaka : Mba ho iraka mahatoky anie izahay, mahatandrina tsara ny andraikitray. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 2 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

2 juillet 2026

117 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro