Kristy fiainantsika

Iraka miady amin'ny fahalòvana


Iraka miady amin'ny fahalòvana
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka miady amin'ny fahalòvana

"... raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? ..."

Soa ihany fa misy ny sira! Manome tsiro ny sakafo, manome hery ny vatana, miaro ny karazan-tsakafo maro tsy ho simba fa ho azo tehirizina. Mampiasa sira avokoa ny olombelona rehetra isan'andro. Isika rehetra mahalala fa mihanaka ny fahalòvana, simba ny toe-tsaina, ny toe-panahy miharihary amin'ny toetran'ny olombelona isan'andro. Iraky ny Tompo ve ianao sa irak'ilay ratsy? Fanafody sa otrik'aretina? Fanazavàna sa fahamaizinana? Mitondra fahalalana sa miady amin'ny fahalòvana? Tena fanasina ve ianao sa fanasina matsatso? Raha ao am-ponao Jesoa dia iraka miady amin'ny fahalòvana ianao. Diniho tsara izay misy anao, aoka ho tena fanasina.

Vavaka: Jesoa ô, Ianao velona ato anatinay no maha-fanasina anay! Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 15 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

15 juillet 2026

119 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro