Iraka mianatra amin'ny menarana! Ahoana tsara?

Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino
Iraka mianatra amin'ny menarana! Ahoana tsara?
"... koa hendre tahaka ny menarana,..."
Ka tsy menarana ve no namitaka an'i Eva? Ny devoly no mpamitaka, nampiasa ny menarana. Zava-boaharin' Andriamanitra ireny ary nisy lesona tsara azo raisina amin'ny fombany. Rehefa misambotra biby atao sakafo ny menarana, toy ny voalavo, dia mandinika tsara, tsy manao kitoatoa, tsy mikoropaka foana, hany ka izay kendreny dia azony avokoa. Hendry ny menarana, mahay mihaza. Toy izany koa ianao, hevero tsara ny maha iraky ny Tompo anao, angataho amin'ny Jesoa mba hifanaraka tsara amin'ny sitrapony ny teninao, ny fitondran-tenanao, ny asanao dia afaka hanova ny amboadia ianao. Olon-kendry ny iraky ny Tompo.
Vavaka : Ampianaro hanao asa tsara tahaka Anao izahay Jesoa ô! Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 10 juillet 2026
Mombamomba
10 juillet 2026
141 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman