Iraka milaza ny hatsaran'ny mpaniraka azy

Iraka milaza ny hatsaran'ny mpaniraka azy
"... olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo ..."
Tsara sady Mpanao ny tsara Andriamanitra. "Tsara indrindra" hoy ny Genesisy 1.31 ny nanavaon'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny olombelona. Miverimberina ao amin'ny Salamo ny fiderana hoe "Miderà an'i Jehovah fa tsara Izy".
Tafasaraka tamin' Andriamanitra isika noho ny fahotana, dia nitovy endrika sy toetra tamin'ny devoly feno faharatsiam-panahy sy fahalotoana ary fahamaizinana. Fa tamin'ny alalan'i Jesoa dia "nalainy ho an'ny tenany" indray isika, dia niverina ny fahatsaran' Andriamanitra tamintsika. Inona no ary no atom-pisianao? "Ny hilazanao ny hatsaran'Ilay niantso anao niala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavana mahagaga". Tsy olon'olom-poana ianao, zanak' Andriamanitra Tsara sady Mpanao tsara. Maneho ny fahatsarany ny fisianao.
Vavaka: Tsy izahay fa Ianao velona ato anatinay no maneho ny fahatsaran' Andriamanitra isan'andro eo amin'ny fiainanay. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 18 juillet 2026
18 juillet 2026
95 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman