Iraka mitondra fahazavana

Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino
Iraka mitondra fahazavana
" ... fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany"
Tsy fireharehana na fanandrata-tena akory ny fitoerana amin'ny toerana ambony natokana ho an'ny jiro. Ny antom-pisiantsika dia ny hanazava araka ny fanambaran'i Jesoa hoe : "Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao". Tsy fanetre-tena ny tsy fanekena hipetraka amin'ny toerana ametrahan'i Jesoa anao. Maty ny jiro raha apetraka ao ambany vata famarana.
Aoka ary hazava ny fahazavanao. Manàna fahadiovam-po. Aoka ny tenin' Andriamanitra no ho fanilon'ny tongotra sy fanazavàna ny làlanao. Mitsangàna, mihazavà, aza misitrisitrika, aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo.
Vavaka:
Mba hanambara Anao avokoa anie ny teninay sy ny asanay ary ny toetranay. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 16 juillet 2026
Mombamomba
16 juillet 2026
115 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman