Kristy fiainantsika

Iraka nentin'ny vadiny amin'ny sangany


Iraka nentin'ny vadiny amin'ny sangany
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka nentin'ny vadiny amin'ny sangany

"Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy"

Nomen'Andriamanitra fahasoavana hitondra fanjakana kanjo nanjakazakan'ny vadiny izay jentilisa Ahaba ka nanao izay ratsy indrindra teo imason' Andriamanitra, ka nitarika ny Israely manontolo hanompo sampy. Ilay nirahin' Andriamanitra hanasoa ny firenena no nandrava sy nanapotika azy. Mpanampy tandrify hahazoana manatanteraka izay nanirahan' Andriamanitra ny vady. Nanampy an'i Adama hitandrina sy hiasa ny saha Edena Eva. Mifankatiava ao amin'ny faritry ny sitrapon' Andriamanitra. Fanomezam-pahasoavana hanompoana an'Andriamanitra ny fanambadiana. Aza manao tahaka an'i Ahaba sy Jezebela.

Vavaka: Tariho mandrakariva izahay hiray saina aimin'ny fanaovana ny sitraponao. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 8 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

8 juillet 2026

128 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro