Kristy fiainantsika

Iraka solon'i Kristy


Iraka solon'i Kristy
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka solon'i Kristy

"Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, ..."

Fahasoavana be izany! Iza moa izaho sy ianao no hirahina hisolo an'i Kristy? Mirehareha ery ny iraka mikabary hoe : "Misolo-tena ny filoham-pirenana na minisitra aho! ". Iza moa maniraka anao? Jesoa ilay manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany! Dia handà ve sa hiteny hoe : "Tsy mendrika?". Tsy mahalala an'i Jesoa ary tsy nandray famonjena izay tsy mety hirahina. Voninahitra an-tsobiky aza atao am-patambary. Manam-boninahitra ianao, iraka solon'i Kristy. Manàna fiainana sy fitondran-tena mendrika izany. "Tanteraho ny fanompoana". Aoka ho hita aminao Jesoa!

Vavaka: Misaotra anao izahay Jesoa fa nitokisanao ho iraka hisolo Anao. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 26 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

26 juillet 2026

12 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro