Kristy fiainantsika

Iraka tsy mivily lalana


Iraka tsy mivily lalana
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka tsy mivily lalana

"Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ..."

"Izaho anie fa efa nandeha ê!". Nandeha tokoa i Jona saingy nivily làlana. Nandeha nandositra tany Tarsisy nefa tany Ninive no nanirahana azy. Aza manao fangala-piery amin' Andriamanitra. Aza mitady tany malemy hanorenam-pangady na dia olona tena ratsy fanahy tahaka ny mponina tany Ninive aza no anirahana anao. Aza mitsara olona ivelany ka manao hoe : "Mpanota matevin-koditra ireto ka tsy laitran'ny balan'ny fananarana". Hay olona mora mibebaka ny tao Ninive. Rehefa noteran' Andriamanitra Jona dia tsy maintsy nanatanteraka iraka. Toriteny indray andro fotsiny dia efa nampibebaka ny mpanjaka sy ny vahoaka hatramin'ny biby fiompy. Raha izay re Jona tsy nandeha!

Sao nisy nanirahan' Andriamanitra anao ka nivilianao lalana? Miverena!

Vavaka: Ataovy tahaka Anao izahay Jesoa, manaiky irahina na dia any amin'izay tsy tianay aza. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 25 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

25 juillet 2026

35 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro