Kristy fiainantsika

Iraka tsy voafetran'ny teti-bola


Iraka tsy voafetran'ny teti-bola
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka tsy voafetran'ny teti-bola

"... Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho"

Tsy ampy hiatrehana ny fiainana an-davanandro ny vola eo am-pelatanana. Misy aza ireo bokan'ny trosa. Koa aiza ny vola hamonjena ny olona latsaka an-katerena? Misy fandaniam-bola ataontsika amin'ny tsy mahasoa ary tena tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra. Olona efa manana finday; nefa mahita vaovao dia mividy. Tsy tao anatin'ny teti-bola izany. Mizaha toetra ny finoanatsika sy fitiavantsika Azy Andriamanitra manoloana ny iraka tsy tao anatin'ny teti-bola. "Manomeza, dia homen’Andriamanitra ianareo; ... fa izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no mba hamaran’Andriamanitra ho anareo koa." - Lioka 6:38 DIEM.

Vavaka: Ampianaro hahatoky Anao amin'ny fonay rehetra izahay fa tsy hiankina amin'ny fahalalanay. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 23 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

23 juillet 2026

96 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro