Iraka vavolombelona hatramin'ny faran'ny tany

Iraka vavolombelona hatramin'ny faran'ny tany
"... ary ho vavolombeloko ... hatramin'ny faran'ny tany"
Tsy ny pasitera na mopera na misionera na ny mpiandry ... ihany no iraky ny Tompo fa ny mino rehetra. Hoy Jesoa : "Izay mino Ahy, ny asa ataoko no ataony koa" - Jaona.14.12. Ny fitadiavana mahazaka maniraka. Mitady inona ianao? Mpitady vola? Jesoa nitady sy namonjy ny very. Tahaka Azy izay mino Azy. Entin'ny fitiavam-bola hatrany amin'ny faran'ny tany ny olombelona. Fa mahazaka anao hatraiza ny fitiavan'i Jesoa? Izy niala tany an-danitra ary tonga tety an-tany ary niafara hatreo amin'ny hazo fijaliana mba hamonjena anao. Any amin'izay alehanao rehetra, vavolombelon'i Jesoa ianao; izay rehetra ataonao dia ho fanompoana Azy. Ahoana no tsy hovoatory hatrany amin'ny faran'ny tany ny filazantsara?
Vavaka: Jesoa ô Mba hanaiky ho irakao avokoa anie ny mino rehetra. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 19 juillet 2026
19 juillet 2026
106 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman