Kristy fiainantsika

Iraka vonona amin'ny tsy ampoizina


Iraka vonona amin'ny tsy ampoizina
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Iraka vonona amin'ny tsy ampoizina

"Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena..."

Manoloana ny olona mila vonjy maika toy izao ve dia mbola hiandry ny Fanahy Masina hiteny aminao ianao vao handray andraikitra? Ny mpisorona sy ny Levita moa dia tsy te hahalala fa ny any am-piangonana ihany no maha maika azy manoloana ity lehilahy efa ho faty ity. Misy iraka tsy ampoizina sitraky ny Tompo anananantsika fahavononana. Tsy tao anaty fandaharam-potoana nefa tsy maintsy atao.

Tompon'ny fotoanantsika Jesoa, Tompon'ny fitempon'ny fontsika koa. Manàna fahavononana, mandraisa andraikitra. "Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao," - Ohabolana 3:6. Aza manahy!

Vavaka : Ho tahaka ity Samaritana tsara fanahy ity anie izahay, vonon-kamonjy izay tra-boina

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 22 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 juillet 2026

98 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro