Irin' Andriamanitra mafy loatra ny hiverenan'ny fon'ny olona Aminy

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Irin' Andriamanitra mafy loatra ny hiverenan'ny fon'ny olona Aminy
""Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray""
Irin' Andriamanitra mafy loatra ny hiverenan'ny fon'ny olona Aminy. Izany no anton'ny nanolorany ny Zanay Lahitokana teo amin'ny hazo fijaliana. Io vavaka io no notononon'i Elia tamin'ny fanamby hahalana izay tena Andriamanitra ka izay mandatsaka afo avy any an-danitra eo amin'ny fanatitra no Izy. Nilatsaka ny afo nandritra ny rano, nandevona ny fanatitra ary ny vato teo amin'ny alitara aza lasa lavenona. Niankohoka ny olona rehetra ka niaiky hoe : "Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra" - 1 Mpanjaka 18:39. Manana fahasahiana sy faharetana mivavaka mba hiverenan'ny fon'ny olona amin' Andriamanitra. Mamaly vavaka Izy.
Mombamomba
15 septembre 2025
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor