Irina loatra ny hisian'ny fiadanana ety an-tany!

Irina loatra ny hisian'ny fiadanana ety an-tany!
"Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany"
Sitrak' Andriamanitra indrindra, irina loatra ny hisian'ny fiadanana eto amin'ity tany ity. Kanefa, "tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy" hoy Andriamanitra ao amin'ny Isaia 57:21. Na mitobaka aza ny vola aman-karena, na mitombo aza ny fahaizana amam-pahalalana, raha mbola eo ny haratsiam-panahy, vao maika mampirongatra ny fanamparam-pahefana sy ny fanaovana an-keriny izany. Izany no nahatonga ny anjely nanonona an'io tononkira io. Ny fanalahidin'ny fiadanana ety ambonin'ny tany dia ny fahatongavan'ny Zanak' Andriamanitra, Jesoa hanafaka ny olony amin'ny fahotany. Rehefa miala ny haratsiam-panahy, lasa olona ankasitrahany isika. Tonga fiadanana!
Vavaka :
Jesoa ô, ampahirato ny masonay hanekenay fa ny vahaolana voalohany ho an'ity tany ity dia Hianao. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 6 juin 2026
6 juin 2026
97 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman