Irinao tokoa ve izay angatahinao?

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Irinao tokoa ve izay angatahinao?
"Ho tonga anie ny fanjakanao ..."
Na iza na iza kristiana dia manonona io vavaka io mandrakariva. Fa fantatrao ve izay angatahinao? Maniry ny hahatongavan'ny fanjakan' Andriamanitra eo amin'ny fiainanao sy ny ankohonanao ve ianao?, avelantsika hanjaka sy hanapaka ao amin'ny fiangonana tokoa ve Izy? Izay rehetra misahana ny fikarakarana ny fiainam-bahoaka sy ny ministera samihafa mamela Azy hanjaka ve? Inona no antony anononana io vavaka io ary inona no anton'ny maha kristiana anao?
Vavaka:
Mba heken'ny kristiana hanam-pahefana eo amin'ny fiainany sy izay rehetra ataony anie Ianao. Amen
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 3 juin 2026
Mombamomba
3 juin 2026
87 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman