Iza moa ianao? olona nantsoin' Andriamanitra hitondra fanafahana tahaka an'i Mosesy

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Iza moa ianao? olona nantsoin' Andriamanitra hitondra fanafahana tahaka an'i Mosesy
""Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta""
Dia hoy Mosesy : "Iza moa aho no hankany amin'i Farao?" Nantsoina hanambara ny hatsaran'ilay niantso anao ianao. Fantaro tokoa : "Iza moa ianao?". Raha tahaka an'i Mosesy fahiny nihevitena ho mahay sy matanjaka ianao dia tsy hahefa na inona na inona. Fa raha ianao kosa ilay "olona nalain' Andriamanitra ho an'ny tenany", raha ianao ilay "niala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga" dia afaka hanatanteraka asa lehibe tahaka an'i Mosesy ianao. Mbola maro ireo olona iharan'ny fanandevozan'ny devoly tahaka ny Zanak' Israely tany Egypta. Antsoin' Andriamanitra koa ianao hitondra fanafahana ho an'ireny.
Mombamomba
21 juillet 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor