Kristy fiainantsika

Iza na inona no mameno ny fonao?


Iza na inona no mameno ny fonao?
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Iza na inona no mameno ny fonao?

"Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao ..."

Kristiana mafana fo, mpamatsy vola ny fiangonana anie izany Ananiasy izany ê! Ny taniny aza namidiny hanaovana ny asan' Andriamanitra, koa maninona no lazaina fa Satana no nameno ny fony? Ny volabe natolony nahazoany fandokafana avy tamin'ny olona fa ny lainga nafeniny miharihary eo anatrehan' Andriamanitra! Ny vidin'ny tany rehetra hono no natolony kanefa ny ampahany ihany! Vokany? Maty teo no ho eo izy mivady!

Iza no mameno ny fonao? Jesoa ve hiara mitoetra amin'ny lainga, ny halatra, ny kolikoly, ny sampy, ny fijanganjangana, ny zava-mahadomelina? Diovy tsara ny fo.

🤲 Vavaka:

Jesoa ô Masina ny fiangonanao. Masina ny fiangonanao. Hamasino sy diovy ny fiangonanao mba tsy ho lasa zohy fieren'ny jiolahy. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

16 avril 2026

81 vues

1 min


Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro