Iza no mampalahelo, ianao sa Jesoa?

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Iza no mampalahelo, ianao sa Jesoa?
"Hoy Jesoa "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy ...""
Ohatran'ny miavonavona Jesoa. Olona mangoraka Azy noho ny fanamelohana sy fampijaliana tsy ara-drariny nahazo Azy no nitenenany hoe "Aza mitomany Ahy". Tsy midika fibebahana izany ranomaso izany. Mampihetsi-po antsika tokoa izay nahazo an'i Jesoa saingy tsy manova na inona na inona amin'ny fiainantsika.
Misy tokoa olona mitomany rehefa mibebaka kanefa ny ratsy fanaony tsy miala. Neken'i Jesoa tamim-pitiavana be dia be ny fijaliana mba ho famonjena anao, ny kapoaka mangidy tsy maintsy nosotroiny. Fa inona kosa no tsy maintsy ataonao raha nanindrona ny fonao ny fijaliany? Mibebaha
🤲 Vavaka:
Jesoa ô, Ny fahitanay ny fijalianao anie hitarika anay ho amin'ny fibebahana
Mombamomba
2 avril 2026
27 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor