Izay mitady sy mikatsaka ny Tompo amin'ny fony rehetra dia hahita Azy

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Izay mitady sy mikatsaka ny Tompo amin'ny fony rehetra dia hahita Azy
""Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema""
Nahita an'i Jesoa, Ilay fanantenan' Israely, nambaran'ny testamenta taloha fa ho avy i Hana. Mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita ary naniry hahare fa tsy nahazo fahafam-po. I Hana mpaminany vavy sy Simeona lehilahy marina sy mpivavaka tsara no nahita ny nahalala an'i Jesoa rehefa nentina tao amin'ny tempoly.
Izay mitady sy mikatsaka ny Tompo amin'ny fony rehetra dia hahita Azy. "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana" - Matio 5:6. Isan'andro ianao misakafo, miasa, miala voly, midio, matory, aza atao latsaka an'izany ny fikatsahana ny tavan'ny Tompo.
Mombamomba
28 décembre 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor