Izay tian'ny olona dia katsahiny amin'ny fo rehetra

Izay tian'ny olona dia katsahiny amin'ny fo rehetra
""... hivavaka sy hitady ny tavako ...""
Tsy mandry andro tsy mandry alina ny olona maro mitady vola. Hoy ny mpamonjy lanona tia fahafinaretana : "Ny masoandro miposaka no mampalahelo". Misy tia fanatanjahan-tena, tia akoholahy, tia facebook, tia olon-kafa mihoatra ny fitiavany ny vady aman-janany.
Fa manao ahoana ny fitiavanao an' Andriamanitra Izay nanolotra ny Zanany Lahy tokana maty teo amin'ny hazo fijaliana hamonjy anao? Dia hoy ianao : voavela ny heloko ary azoko ny famonjena. Mbola maro no manao hoe : "Tsy manam-potoana hivavahana sy hamakiana baiboly aho! Rehefa tsy misy manahirana ahy intsony dia mba mamaky baiboly eo am-pandriana aho".
Izay tia an' Andriamanitra dia mitady Azy amin'ny fo rehetra, misaintsaina ny teniny andro aman'alina, mivavaka tsy mitsahatra! Mpifankatia ê!
🤲Vavaka
Mba ho marina anie ny fanekena nataonay taminao hoe : "ho tia Anao amin'ny fo rehetra"
4 mars 2026
8 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor