Izay tsy mandray ny fitiavan' Andriamanitra dia mirona amin'ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola

Izay tsy mandray ny fitiavan' Andriamanitra dia mirona amin'ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola
""Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ...""
Tsy vaovao mahafaly izany fa mampitebiteby. Vokatry ny fisarahana amin' Andriamanitra dia tonga ny andro mahory. Tahaka ny zaza tafaresaka amin'ny ray aman-dreniny, na vatomamy na kilalao tsy misy mahafeno ny banga eo amin'ny fiainany. Ory foana izy mandrapahitany ny ray aman-dreniny!
Ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, ny fitiavam-pahafinaretana tsy misy mahasolo ny fitiavan' Andriamanitra tsy feno ao anatin'ny olona. Ny vaha olana noforonin'ny olombelona vao maika nampitombo ny olana sy fahoriana eo amin'ny fiainana. Ny fitomboan'ny faharatsiana eto amin'ity tany ity no nampitombo ny fahoriana. Ny olona mitoetra ao anaty haratsiam-panahy, tsy mety mihavana amin' Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa dia tsy mahita fiadanana
🤲 Vavaka:
Mivavaha mba hahery ny fiangonana ka handresy ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola ao aminy
28 février 2026
9 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor