Jesoa mofon'aina, Izy ihany no mahafeno ny fiainanao

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Jesoa mofon'aina, Izy ihany no mahafeno ny fiainanao
""Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba""
Mba hialana amin'ny alahelo anie no mahatonga ny maro hiboboka toaka ê! Ohatran'ny any an-danitra rehefa mamo, falifaly ery! Dia satry higoka foana. Mitobaka ny zava-mahadomelina amin'izao fetim-pirenena izao. Faly noho ny fahatsiarovana ny fiverenan'ny fahaleovan-tena nefa andevozin'ny toaka, potika ny fahasalamana, ny ankohonana sy ny fiaraha-monina.
Alohan'ny hisotroana dia hoy ry zareo : "Samia mamozavy ny tenany". Efa hita fa ratsy fa mbola sotroina foana. Raha banga ny toeran'i Jesoa ao am-po, na tapitrao avokoa aza ny toaka rehetra, mbola halahelo ihany ianao. Hoy Jesoa : "Izaho no mofon'aina, izay manantona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony".
Mombamomba
22 juin 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor