Jesoa no tanan' Andriamanitra mahavonjy anao, atolory azy ny tananao

Jesoa no tanan' Andriamanitra mahavonjy anao, atolory azy ny tananao
""Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare""
Matoa Izy mametraka ity teny ity ato amin'ny Isaia 59:1 dia te hanolo-tanana anao Izy ary te hanongilana ny sofiny amin'ny fitarainanao. Izy ihany no namaha ny olana eo amin'ny andininy faharoa : "Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin' Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy".
"Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay". Amin'ny alalan'i Jesoa, miharihary amintsika ny tavany ary mihaino antsika Izy.
Novahan' Andriamanitra ny olana tsy voavahan'iza na iza, vita ny famonjena tamin'ny alalan'i Jesoa, inona kosa ary no ataonao?
🤲Vavaka :
Hifona amin' Andriamanitra isika noho ny fiavonavonantsika amin'ny tolo-tanana ataony amintsika
9 février 2026
8 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor