JESOA? Tena Andriamanitra no tena olombelona

JESOA? Tena Andriamanitra no tena olombelona
"Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra"
Niakatra ho any an-danitra Jesoa. Manamporofo ny maha Andriamanitra Azy izany. Ilay Jesoa tonga nofo aman-drà iny, nivahiny tety an-tany, nataon'ny olona tsinontsinona, nohomboany teo amin'ny hazo fijaliana dia nanantanteraka iraka araka ny teny hoe : "raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka". Vita ny famonjena. Misokatra ho an'ny mpanota mibebaka rehetra ny varavaran'ny lanitra. Tsy resy akory Jesoa raha maty teo amin'ny hazo fijaliana fa nandresy ny fahotana nandevo antsika. Tsy olombelona fotsiny Izy fa Andriamanitra, maneho izany ny fitsanganany tamin'ny maty sy ny fiakarany any an-danitra.
Vavaka:
Midera Anao izahay Jesoa fa tena Andriamanitra Ianao, ILay tonga nofo hamonjy anay. Amen!
14 mai 2026
121 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman