Katsaho aloha ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Katsaho aloha ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany
""Tsy ho lany ny koba ... ary tsy ho lany ritra ny diloilo ... mandrapihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany""
Dia tsy lany tokoa ny koba ary tsy ritra ny diloilo nanaovana mofo tao amin'ilay vehivavy mpitondratena tao Zarefata. Tsy matin'ny mosary tahaka ny hafa ny ankohonan'ity vehivavy ity satria nankato ny tenin'i Elia izy.
Fa inona tokoa moa no nahatonga ny ranonorana tsy latsaka ka nahatonga ny mosary? Tsy nankato ny tenin' Andriamanitra ny Zanak'Israely tamin'izany fotoana izany fa nanompo sampy. Noho izany, katsaho aloha ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanmpiny ho anao izay hohaninao sy hosotroinao ary hotafianao.
Mombamomba
17 août 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor