Kristy fiainantsika

Katsaho fatratra izay hahatsara ny fifandraisanao amin' Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony


Katsaho fatratra izay hahatsara ny fifandraisanao amin' Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony
Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Katsaho fatratra izay hahatsara ny fifandraisanao amin' Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony

""... fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany""

Tsy maintsy mikatsaka izay ilaintsika eto amin'ity tany ity isika, fa tsy mikatsaka fatratra izany tahaka ny olona tsy manana an'Andriamanitra ho Rainy. "Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany", ao anatin'izany no hikatsahanao izay hohaninao sy hosotroinao ary hotafianao. Raha manana an'Andriamanitra ho Rainao ianao dia katsaho fatratra izay hahatsara ny fifandraisanareo sy ny hanaovanao ny sitrapony. Ianao aza mihevitra izay hahasoa mandrakariva ny zanakao, maika fa Izy? Fa tena nekenao ho Rainao tokoa ve izy ary ianao manaiky ho zanany? Aza manahy, fantany izay tokony ho anao!


🤲 Vavaka :

Ento am-bavaka ny kristiana mba hikatsaka ny Tompo amin'ny fo rehetra


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

23 janvier 2026

13 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro