Katsaho ny hanao ny tsara indrindra ho an'ny Tompo

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Katsaho ny hanao ny tsara indrindra ho an'ny Tompo
""eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy""
Fandraisana anjara no zava-dehibe! Izany ve dia toe-tsain'ny mpanao fanatanjahan-tena voafantina ho amin'ny fihazakazahana avo lenta? Miezaka mahatratra ny laharana voalohany! Tsy maintsy mandresy! Izany no tanjona.
Tsy tokony ho mihoatra noho izany ve isika izay nantsoina ho amin'ny hazakazaka masina dia ny fanarahana an'i Jesoa? Efa noraisintsika ny famonjena fa mbola miandry antsika kosa ny lokan'ny fiantsoana. Aza atao kitoatoa na zara fa vita ny fanompoana an' Andriamanitra. Katsaho ny hanao ny tsara indrindra ho an'ny Tompo.
Mombamomba
10 juillet 2025
12 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor