Kristiana azo alain-tahaka

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Kristiana azo alain-tahaka
""Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy""
Kristiana azo alain-tahaka, fianarana ho an'ny mino ve ianao sa mampiana-dratsy na mampihemotra ny kely finoana? Mandeha ho azy amin'ny alalan'ny fifandrasaiana, fiteny, fitondran-tena sy asa izany.
Hatramin'ny fihinana sy ny fisotra aza, arak'izay ampianarin'i Paoly eto dia mety hahatafitohina ny hafa na hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra.
Na fahazavana isika na fanamaizinana, tsy misy mazavazava na ny maizimaizina, aloan'ny vavan'ny Tompo ny kristiana matimaty.
Fahazavan'izao tontolo izao i Kristy, izay nandray Azy dia mitondra fahazavana amin'ny manodidina. Tsy avy amin'ny fiezahanao no mahatanteraka izany fa avy amin'ny fanekenao an'i Jesoa ho Tompo.
Mombamomba
27 juin 2025
2 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor