Kristy fiainantsika

Lohan'ny mpanota tonga lohan'ny mpitory filazantsara


Lohan'ny mpanota tonga lohan'ny mpitory filazantsara
Thème du mois : Olomboaantso ny mpino

Lohan'ny mpanota tonga lohan'ny mpitory filazantsara

""dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?""

Fitiavana tsy misy tahaka izany! Ilay mpanenjika sy mpankahala an'i Jesoa indray no babon'ny fitiavany ka tsy afa-niala. Lavo tamin'ny tany Saoly ilay niseho ho mahery ka nikasa hamongotra ny fiangonan'i Jesoa.

Niova ho Paoly ny anarany! Mahagaga ny fiantsoan'ny Tompo izay tena hanompo Azy marina tokoa. Tsy izay heverina ho tsaratsara sy mba masimasina fa izay tena lohan'ny mpanota no lasa lohany tamin'ny fitoriana filazantsara. Paoly ilay mpanenjika indray no nohenjehan'ny sasany. Mivavaha mba hisy olona maro toy izany hiova fo ka hafana fo amin'ny fitiavana ny Tompo.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

2 juillet 2025

7 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro