Kristy fiainantsika

Mahagaga ny olona ny fiainan'ny iraky ny Tompo


Mahagaga ny olona ny fiainan'ny iraky ny Tompo
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Mahagaga ny olona ny fiainan'ny iraky ny Tompo

"ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;"

Fahiny, niaraka nanao ny fanaon'izao tontolo izao, niara nisotro toaka, niaraka nanao kolikoly, niaraka nanompo sampy sy razana, tampoka teo, tsy niaraka nihazakazaka taminy tamin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany intsony ianao. Ahoana no tsy ho gaga izy ireo?

Misy fanavaozana mahagaga toy izany ataon'i Jesoa amin'izay manaiky Azy. Miara-miasa hahatanterahanao izay iraka niantsoana anao izany. Tsy maintsy misy ny mangetaheta ary dia hanolo-tena ho an'ny Tompo koa izy noho ny fahitany anao.

Vavaka: Mba hahatarika olona maro hanara-dia Anao anie ny nanavaozanao anay. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 4 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

4 juillet 2026

127 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro