Mahaiza mianatra amin'ny zaza

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Mahaiza mianatra amin'ny zaza
""Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra""
Omen' Andriamanitra mpampianatra mahay sy faka-tahaka isika ao an-tokatrano ao dia ny zaza. An'izay olona toa ny zaza ny fanjakan' Andriamanitra. Mahita ny fahatsoran'ny zaza sy ny fanetren-tenany ary ny toe-po mahatoky ao anatiny ve isika? Tsy ny zaza foana no tenenina sy anarina ary ahitsy fa isika olon-dehibe koa, mahaiza mianatra amin'ny zaza.
"Avelao ny zaza hanatona Ahy" hoy Jesoa, fa amin'izay ihany no tsy hiovan'ny toetra nideran'ny Tompo azy na dia mitombo taona aza izy.
Mombamomba
14 juillet 2025
12 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor