Kristy fiainantsika

Mahalala ny antsipirihan'ny fiainanao ny Tompo


Mahalala ny antsipirihan'ny fiainanao ny Tompo
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Mahalala ny antsipirihan'ny fiainanao ny Tompo

""Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa""

Mpianatr'i Jesoa ve ianao? Manaiky ho iraka solon'i Kristy? Tsy menatra hijoro ho vavolombelon'ny Tompo amin'ny fiteny, toetra sy asanao ve ianao? Raha eny, dia ho anao io teny fikasana io.

Fanazavàna ao anaty aizina ianao; tahaka ny kintana kely eny amin'ny lanitra maizina. Ilain'ny Tompo ianao ary mahasoa ny manodidina anao. Hankalahala anao nefa izao tontolo izao manompo sampy, manompo vola, mijangajanga, satria tsy manao ny fanaony ianao

Aza matahotra azy, mijoroa hatrany, mahalala ny antsipirihan'ny fiainanao Izy. Mahereza


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

4 juin 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro