Kristy fiainantsika

Mahareta amin'ny asan' Andriamanitra


Mahareta amin'ny asan' Andriamanitra
Thème du mois : Mifampahery ny mpino

Mahareta amin'ny asan' Andriamanitra

""Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah""

"Izay adala no toa an-drainy" hoy ny fahendrena malagasy. Tsy Davida mpanjaka no nantsoina hanao ny Tempoly fa Solomona zanany. Vitany soamantsara izany. Misy fanamby andrasan' Andriamanitra aminao. Hoy Jesoa : "Izay mino Ahy ny asa ataoko; ary hanao asa lehibe mihoatra noho izany aza izy". Nantsoina haharitra mihoatra noho izay nataon'i Jesoa ny mpianatra. Raiso ho anao izao teny fampaherezana ho an'i Solomona izao. Tsy naman'izay mihemotra ny hendry.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

28 août 2025

9 vues

6 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro