Mahatoky sy marina ny tsodrano omen' Andriamanitra ny zanany

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Mahatoky sy marina ny tsodrano omen' Andriamanitra ny zanany
""Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana""
Ampahan'ny tsodrano nasain' Andriamanitra notononina hitsofan-drano ny Zanak' Israely izany. Andriamanitra mampamirapiratra ny tavany sy manandratra ny tavany dia manambara fa eo foana Izy, manatrika ny zanany amin'ny fotoana rehetra, tsy mahafoy na mandao akory. Mahatoky sy marina amin'ny tso-dranony Izy, ny olona mety mandao, ny harena mety ho lany fa Izy kosa mampamirapiratra sy manandratra ny tavany aminao. Raiso amin'ny finoana sy fahatokiana isan'andro ho anao izany tso-drano izany dia asehoy fa zanaka manaja an' Andriamanitra Rainao manatrika anao ianao
Mombamomba
25 août 2025
5 vues
5 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor