Kristy fiainantsika

Mahatsara anao ny fananaran'ny Fanahy Masina, henoy Izy


Mahatsara anao ny fananaran'ny Fanahy Masina, henoy Izy
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Mahatsara anao ny fananaran'ny Fanahy Masina, henoy Izy

"Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra ..."

Sarotra tamin'ny mpianatra no naniky izany tamin'ny voalohany. Satriny ho eo aminy mandrakariva Ilay Jesoa Mpanao fahagagana. Tsy maintsy miakatra amin'ny digam-pinoana ambonimbony kokoa isika. Hoy Jesoa : "Sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino" - Jaona 20:29b. Jesoa efa niakatra any an-danitra, tsy hita intsony, ny Fanahy Masina ao am-po tsy hitan'ny maso, tsy azo tsapain-tanana tahaka an'i Jesoa fahiny. Mahatsara antsika ankehitriny ny miaina amin'ny finoana. Mihaino ny fananaran'ny Fanahy Masina mifanerasera amintsika isan'andro. Izay manantsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina.

Vavaka:

Ampianaro isan'andro, amin'ny zavatra rehetra izahay, hihaino sy hiresaka ary hankato Anao Fanahy Masina. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

26 mai 2026

152 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro