Mamatsy ny zanany Andriamanitra

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Mamatsy ny zanany Andriamanitra
""Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy""
Fantatr' Andriamanintra fa tsy afaka namboly sy niompy ny Zanak'Israely tany an'efitra. Nifindrafindra toerana foana mandra-pahatonga tany Kanana. Nanome hanina sahaza hoa azy isan'andro Andriamanitra. "Fa maninona aho tsy mahazo?" hoy ny sasany. Sao dia mbola any Egypta, tsy tahaka ny Zanak'Israely efa niala tamin'ny fanandevozana ianao? Sao olona kamo miandry mana milatsaka avy any an-danitra fotsiny ianao?
Rehefa mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany ianao dia anampin'ny Tompo ho anao izay hohaninao sy hostroinao ary hotafianao.
Mombamomba
9 septembre 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor