Mamoria harena maharitra mandrakizay dia fanahin'olona maro ho an'ny Tompo

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Mamoria harena maharitra mandrakizay dia fanahin'olona maro ho an'ny Tompo
""... dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa""
Ny ankamaroan'ny olona dia te hahazo vola aman-karena bebe kokoa, te hahavita trano ary hahazo fiara maromaro kokoa, ny sasany mikatsaka fahefana sy voninahitra ambony kokoa fa ny an'i Paoly dia ny hahazoany olona maromaro kokoa ho an'ny Tompo no tanjony. Izany ilay nataon'i Jesoa hoe "harena any an-danitra". "Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala" hoy ihany Paoly ao amin'ny 1 Timoty 6:7. Ny kristiana manantsaina dia mamory harena maharitra mandrakizay dia fanahin'olona maro ho an'ny Tompo
Mombamomba
26 octobre 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor