Mampandeha ahy any amin'ny havoanako Andriamanitro

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Mampandeha ahy any amin'ny havoanako Andriamanitro
""Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro toy ny an'ny dieravavy Izy, ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako""
Tsy namontsina ny aviavy, tsy namoa ny voaloboka, nandiso fanantenana ny oliva, tsy nahavokatra hohanina ny saha, novnoina ny ondry tao amin'ny vala, tsy misy omby intsony ao am-pahitra. Zava-pitranga indraidray amin'ny fiainana izany fahavoazana lalina izany. Niharan'izany Habakoka teto, Joba koa nandalovan'izany na dia lehilahy marina sy mahitsy sady matahotra an' Andriamanitra sy mifady ny ratsy aza (Joba 1:1). Misy olona niharan'ny toy izao no mivarilavo amin'ny toaka, misy miala amin' Andriamanitra ary mamono tena aza. "Jehovah Tompo no tanjako" hoy Habakoka, mbola handeha aho ary hiakatra amin'ny havoanako. Ho toy izany koa anie ianao
Mombamomba
4 décembre 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor