Kristy fiainantsika

Mampieritreritra! ondry irahina eo afovoan'ny amboadia


Mampieritreritra! ondry irahina eo afovoan'ny amboadia
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Mampieritreritra! ondry irahina eo afovoan'ny amboadia

"Hoy Jesoa : Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; ..."

Izany ve dia mba mitombina? Irahina mba hoviravirain'ny amboadia? Iza no hanaiky handeha amin'izany? Izao no tian'ny Tompo ho fantatrao tsara : samihafa tanteraka ny ondry sy amboadia dia ny iraka sy ny anirahana, ianao sy izao tontolo izao izany! Ny Tompo no miady fa tsy ianao, maneke am-panetre-tena sy asan'ny fanahy ao anatinao, "Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo" ; afaka miova ny amboadia ho tonga ondry tahaka anao, "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; ". Meteza hiavaka tsara toy ny ondry, avelao Kristy hiaina isan'andro ao anatinao, dia tsy velombelom-poana eto an-tany eto ianao fa mpanefa iraka mahagaga eto amin'ity izao tontolo izao feno haizina sy faharatsiana ity.

Vavaka: Jesoa ô! Tanteraho amin'ny alalan'ity ondrikelinao ity ny herinao. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 9 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

9 juillet 2026

113 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro