Mampiomana sy mampahery ny amin'ny ho avy ny Tompo

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Mampiomana sy mampahery ny amin'ny ho avy ny Tompo
""... Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza""
Nasehon' Andriamanitra tamin'ny fahitana ny ady mafy atrehin'ny mino indrindra amin'izao andro farany izao. Hoy ny and.14 : "Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana". Dia hoy Daniela : "Tompoko, azon'ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony" (and.16). Nahariharin'i Jesoa mazava ny hamafin'ny adim-panahy tsy maintsy hatrehin'ny mino alohan'ny fihaviany indray. Mampiomana sy mampahery antsika izy amin'izany fa tsy mampitahotra. Manamafy ny fitiavany koa Izy ary miantso anao hoe : "Ry malala indrindra!"
Mombamomba
13 août 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor