Kristy fiainantsika

Manafaka amin'ny hakanosana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina


Manafaka amin'ny hakanosana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Manafaka amin'ny hakanosana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina

""Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro""

Nilatsaka tamin'ny Apostoly ny Fanahy Masina dia samy nanambara ny asa lehibe nataon' Andriamanitra izy ireo tamin'ny fiteny samihafa. Nolazain'ny sasany fa mamo ny Apostoly. Ry zareo no tsy sahy miteny imason'olona raha tsy misotro ary mamomamo dia lazainy fa manao ny fanaony ny mpianatra feno Fanahy Masina.

Raha voafatotry ny henatra sy tahotra ny manodidina ianao nefa te hijoro vavolombelona sy hanambara ny fahatsaran'i Kristy, dia mangataka mandrakariva ny fahadiovam-po sy fahafenoan'ny Fanahy. Afaka ny hakanosana, ho sahy tahaka ny Apostoly ianao. Rehefa mameno ny fonao ny Fanahy Masina dia ho marina aminao ny tenin' Jesoa hoe : "fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany" - Lioka 6:45b


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

13 juin 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro