Manaiky hositranina amin'ny aretin'ny fitiavam-bola ve ianao?

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Manaiky hositranina amin'ny aretin'ny fitiavam-bola ve ianao?
""Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?""
Teny efa nolazain'i Balama teo aloha ihany izao teny izao saingy tsy tena nijoroany. Hoy mantsy izy eo amin'ny Nomery 22:18 "... Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra". Saingy notohizany hoe "Nefa ...". Inona no antony? Mbola nanankery tao amin'ity mpaninany ity ny herin'ny vola. Rehefa nampitenenin' Andriamanitra ny boriky hananatra azy vao nahajoro tamin'ny teniny izy.
Raha momba ny fibaikoin'ny vola dia marina amin'ny maro ilay teny hoe : "Am-bava tsy mila fa am-po taralila". Manaiky hositranina amin'ny aretin'ny fitiavam-bola ve ianao?
Mombamomba
7 octobre 2025
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor