Manaiky hovonoina hisolo heloka ny olombelona ve ny omby?

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Manaiky hovonoina hisolo heloka ny olombelona ve ny omby?
""Fa raha tsy misy rà latsaka, dia tsy misy famelan-keloka""
Mihalafo vidy hatrany ny omby kanefa rehefa teren'ny mpisikidy sy ny fiaraha-monina dia tsy maintsy mamono omby mba ho afa-tsiny amam-pondro. Mbola iainana amin'ny faritra sasany eto amintsika izany. Dia amidy ny tany sy ny fananana sarobidy na tsy maintsy vonoina ny omby efa nokolokoloina ela be. Voky hena ny vahoaka fa voaray ve ny famelan-keloka? "Ary tsy misy faonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena" - Asa 4:12. Jesoa irery ihany.
🤲Vavaka
Andriamanitra ô ampahirato ny masom-panahin'ny malagasy mba hanekeny ny famelan-keloka omen'i Jesoa
Mombamomba
23 mars 2026
13 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor