Manam-pahefana matahotra an'Andriamanitra tahaka an'i Josia

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Manam-pahefana matahotra an'Andriamanitra tahaka an'i Josia
"Manam-pahefana matahotra an'Andriamanitra tahaka an'i Josia "
Mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason'i Jehovah Josia. Natahotra an' Andriamanitra izy. Tsy nivily tamin'ny ankavia na ankavanana nanao izay tiany atao izy. Tsy nobaikon'ny filan-tsitraka aman'olona na ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola izy. Tsy misy olona afaka hibaiko ny mpanjaka. Fantany fa Mpanjakan'ny mpanjaka Andriamanitra, Tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Izay mahitsy eo imason'i Jehovah no nataony. Ento am-bavaka mba ho tahaka an'i Josia avokoa ny manam-pahefana rehetra eo amin'ny firenentsika. Tsarovy fa manara-maso izay rehetra ataonao Andriamanitra, izay mahitsy eo imasony ihany tanterahina
Mombamomba
13 novembre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor